Skip to content

Latest commit

 

History

History
45 lines (31 loc) · 3.13 KB

premier-pas.md

File metadata and controls

45 lines (31 loc) · 3.13 KB

GNU/Linux : Dingana voalohany

Natao amin'ny teny malagasy izy ity saingy raha manafintohana anao ny teny vary amin'anana dia aleo tonga dia TSY mamaky avy hatrany 😄

Vao hanomboka handray GNU/Linux mihintsy ve ianao saingy tsy hitanao hoe aiza no hanombohana azy ?

Inona ilay raha ?

Mialoha ny zavatra rehetra aloha dia fantaro hoe inona izany GNU/Linux. Amporisihina ianao hitady sy hamantatra izany amin'ny Internet. Na izany aza, ireto misy famintinana kely :

  • Système d'exploitation izy (milahatra amin'ny hoe Microsoft Windows izany na Mac OS)
  • Misy distribution isan-karazany izy (ohatra hoe Ubuntu, Debian, CentOs na koa hoe Arch, Kali, sns.)
  • Ny "interface graphique" hitanao dia mety ho Desktop Environment (DE) na Window Manager (WM) - misy isan-karazany ireo fa mbola ho jerentsika amin'ny antsipirihany any aoriana any

Aza gaga noho izany raha mahita sy maheno anaran-javatra marobe momba ny GNU/Linux fa izay mihintsy le izy, manan-karena.

Inona no iaingana ?

Torohevitro manokana, raha vao tena hanomboka mihintsy dia aza mitady zavatra lavitra be, Ubuntu tsotra ampiasaina aloha miaraka amin'ny interface graphique par défaut ao.

Dia ahoana no fomba ampiasana an'izany Ubuntu izany ?

  • Azo atao ny manao installation avy hatrany,
  • Fa tsara kokoa raha atao amin'ny machine virtuelle aloha : tsy manova n'inon'inona ao amin'ny machine-nao ianao fa manandrana sy mianatra fotsiny aloha

Dia ahoana ? Raha ny version amin'izao fotoana izao aloha dia farafaharatsiny mba misy 4G de RAM ny machine-nao ary 1G mahery kely eo ilay image 😏

  • Mila misy logiciel de virtualisation mandeha ao amin'ny machine-nao, ohatra hoe VirtualBox, alaivo dia installer-o izay mifanaraka amin'ny système d'exploitation ao aminao (mety amin'ny Microsoft Windows io na Mac OS, na Linux hafa koa ary)
  • Maka "image" Ubuntu efa vonona ho an'ny VirtualBox ao amin'ny Osboxes arakaraky ny architecture-ny machine-nao (32bits na 64bits). Ngezangeza ihany io satria 1G mahery kely eo araky ny voalaza etsy ambony 😬 fa afaka ifampizarana koa, manontania namana hoe aiza no misy dia mandehana mitondra disque na flash dia mba maka any amin'izay manana ... izay ilay fifampizarana e! 😅
  • Rehefa azo dia Importer-o ao amin'ny VirtualBox ilay image Ubuntu teo (jereo ihany ny haben'ny RAM sao mihoatra ny an'ny machine-nao no tadiavin'ilay machine virtuelle)

Dia izay! Manana machine virtuelle misy Ubuntu ianao!

Dia faly ?

Euh ... mila ampiasaina ilay izy fa tsy hoe mijerijery an'ilay interface eo fotsiny dia mahay.

  • jereo ny menu,
  • manandrama manokatra application,
  • manandrama mi-enregistrer fichier,
  • manandrama milalao gestionnaire de fichiers.

Dia izay sy izay ny fanombohana azy. Miditra amin'ny commandes sy ny sisa amin'izay ny dingana manaraka izany hoe mampiasa terminal. Any no hianarana ny pitsopitsony rehetra fa rehefa mazava any amin'ny terminal dia misosa fotsiny ny eo amin'ny interface graphique.

👊 Nosoratana ny volana novambra 2018 (aleo asiana daty satria mety misy zavatra tsy mitombina intsony ireo afaka volana maromaro ohatra)